Paroles de la chanson Haritiany ianao par Mr Sayda

Chanson manquante pour "Mr Sayda" ? Proposer les paroles
Proposer une correction des paroles de "Haritiany ianao"

Paroles de la chanson Haritiany ianao par Mr Sayda

Fa ohatran' ny hoe variana samy niara-nilalao
Dia nihodina ny taona, enin-taona lasa ianao
Natao kilalao na mazàna samy hoe lao
Fa raha misy tavela lay fitiavana, amelao
Satria ny tantaram-piainako lasa tantaranao
Ary tiako raha ny anarako lasa anaranao
Fa ny hoavy rehetra kasaiko ny hikarakaranao
Hangina aho ka tsy hiteny raha tsy hoe zah no anjaranao
Satria koa reo fahavalontsika manarangarana ao
Ka mety ho akatonao amiko ny varavaranao

Fa ny tsara tsy mba lany nefa  ny anilanao mamy
Ny olona aza gaga mahita anah manontany
Hoe mba rahoviana ihany e
Sa mbola samy zaza tsika, ohatran'ny vao omaly e

Niverina any aoriana ny famataranora, lay roapolo minitra nahalalako anao voalohany
Mitamberina mangina na mangidy aza tsaroana, ohatran'tsy nitiavako ny sipanao taloha
Fa mamy ianao ho anazy fa ny antsika kilalao
Fa sangisangintsika iny ka tsy maintsy hifandao
Ny hasambaranao angamba no vadim-pahasambarany
Anah ianao am'izao fa ho anazy ianao amin'ny farany
Tsy manana afa tsy ny hirako aho mba hampifaly anao
Fa ny ambiny adalana be zay mampijaly anao

Fa ny tsara tsy mba lany nefa  ny anilanao mamy
Ny olona aza gaga mahita anah manontany
Hoe mba rahoviana ihany e
Sa mbola samy zaza tsika, ohatran'ny vao omaly e
Haritiany ianao, ary tena tiany ianao

Paroles.net dispose d’un accord de licence de paroles de chansons avec la Société des Editeurs et Auteurs de Musique (SEAM)

Sélection des chansons du moment