Paroles de la chanson Halalao ny fonao par Mr Sayda

Chanson manquante pour "Mr Sayda" ? Proposer les paroles
Proposer une correction des paroles de "Halalao ny fonao"

Paroles de la chanson Halalao ny fonao par Mr Sayda

Madio sy manga ny lanitra
Feno Voronkely ee
Mihirahira finaritra
Fifaliana no mihely ee
Hoantsika Ambanilanitra
Tena mbola mahery ee
Hisaorantsika Andriamanitra
Samy tratrin'ny Asaramanitra
Samy iray tsika fa Malagasy e
Iray Aina no iray Vatsy e
Hifandray tanana mba hampandroso ny firenena fa tsy hifanaratsy e
Politika avelao... ianao izao namany izaho namanao
Miara mandroso fa niara natory
ka miara mifoha izao dia miara manao

Tairo mba miara manao... namako oh
miara manao... namako oh
miara manao ... namako oh
Halalao ny fonao
Ny sainao aza terena
Mino aho fa efa hainao
Ny fahasamihafana no harena
Fa tokontany be i Gasikara
Tsy mifanambany fa samy tsara e
Mifanampy... mifampizara
Samy mpokona eto Manakasintsara ee

Fa isika no lova navelany e
Manohy ny tantara
Ka rehefa samy mba mandova ihany
Tsy aleo ve tohizana tsara?
Fa ny fo mahay mamela
Nefa mahatadidy e
Tsy ho ny ngidin'ny lela no ampadovaiko ny faramandimby e

Fa sourira tsy miavona e
Soa soa madigna ee
Fa n'aiza n'aiza niaviny e
Tsy mba manavaka fa havanay (x2)

Tairo mba miara manao... namako oh
miara manao... namako oh
miara manao ... namako oh
Halalao ny fonao
Ny sainao aza terena
Mino aho fa efa hainao
Ny fahasamihafana no harena
Fa tokontany be i Gasikara
Tsy mifanambany fa samy tsara e
Mifanampy... mifampizara
Samy mpokona eto Manakasintsara ee

Madio sy manga ny lanitra ...

Paroles.net dispose d’un accord de licence de paroles de chansons avec la Société des Editeurs et Auteurs de Musique (SEAM)

Sélection des chansons du moment